<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>He, tanim-pahazavana be FFPM522</title>
<lyrics>[V1]
 He, tanim-pahazavana be,
 Tsy misy maizina ao,
 Ka any tsy mba hitete
 Ny ranomasonao.
 Izay voavonjy hiangona ao,
 Hiara-mihira ny hira vaovao,
 Ho sambatra any an-danitra,
 Ao amin'ny Mpanavotra.
 Moa ao an-danitra ?
 Eny, ao an-danitra.
 Ka tsy hisaraka ?
 Eny, tsy hisaraka !
 Ho sambatra any an-danitra
 Ao amin'ny Mpanavotra.

[V2]
 Ry Rainay feno indrafo,
 Be fitiavana,
 Omàny ny fanahiko
 Handray fiainana.
 Izahay, ry Jesosy, maniry
 Anao.
 Fa maty nisolo anay Hianao,
 Nanavotra anay mba ho afaka.
 Ka tsy ho voaheloka.
 Moa dia ho afaka ?
 Eny, ho afaka.
 Ka tsy ho helohina ?
 Eny, tsy ho helohina.
 Jesosy Mpamonjy nanafaka,
 Ka tsy ho voaheloka.

[V3]
 O, ry Jesosy Tompo ô !
 Tsarovy izahay,
 Ka mba ambino hatrizao
 Ny fandehananay.
 Vonjeo ny ondry manaraka
 Anao
 Fa otany no namonoana
 Anao,
 Ho faly izahay ao an-danitra
 Ao amim-boninahitra.
 Moa ao an-danitra ?
 Eny, ao an-danitra.
 Ka tsy hisaraka ?
 Eny, tsy hisaraka.
 Hiara-mifaly ao an-danitra,
 Ho feno voninahitra.</lyrics>
<hymn_number>522</hymn_number>
</song>